Parti le 30 décembre au matin, le premier magistrat de la Ville des Mille est rentré au pays hier après-midi, après sa première mission à l’extérieur. Plus précisément à l’Ile Maurice où il a rencontré le 31 décembre le ministre de l’Administration régionale et le maire de Port-Louis. « Il était question de coopération », rapporte-t-il. En faisant savoir au passage qu’« il y a des projets qu’on peut mener ensemble. Notamment dans le domaine social et en matière d’infrastructures sportives ». Des dossiers seront constitués à cette fin. Il était également question de jumelage entre Antananarivo et Port-Louis. « Pour ma part, je préfère beaucoup plus les jumelages par arrondissement », souligne Andry Rajoelina. Séduit par le civisme des contribuables de Port-Louis. « Par rapport à nous, la Ville de Port-Louis n’a pas de problème de recouvrement dans la mesure où les contribuables acquittent leurs impôts », lâche-t-il.
Il, c’est évidemment Andry Rajoelina qui va finaliser aujourd’hui le nouvel organigramme de la Commune Urbaine d’Antananarivo avant de le soumettre prochainement au vote du conseil municipal. C’est seulement après que les membres du staff du maire seront nommés, même si bon nombre d’entre eux sont déjà à pied d’œuvre. Le budget 2008 de la CUA sera également soumis à la délibération du conseil qui disposera de 15 jours pour l’examiner.
R.O
1 commentaire:
Vaovao farany : Vao tafaverina tao Dago Ra8, ary toa misy otrika korontana ao Iarivo. Raha ny fahazahoako azy dia avy aty an-dafy ny mpitantana sy mpamatsy, ary i Tongolo Gasy Vongany no mpitarika ny ao an-toerana. Dia hijaly lava ity firenentsika ity...
Ny « LOJIKAN’NY FIFANDONANA » tetikadin’i Andry Rajoelina miaraka amin’ireo
mpanao politika tranainy sy ny firenen-dehibe iray.
Mpianatra ety amin’ny Oniversite ny tenako. Tamina mpianatra eny amin’ny
Oniversite iray antsoina hoe “Dominique” na “Radomi” no nandrenesako izao
resaka izao ka tsy mandry ny eritreritro raha tsy manaparitaka azy aminao.
Diniho ny zava-misy ,fa ny tantara no hitsara.
Efa volana maromaro no niketrehan’I Andry TGV ny tetika. Ny tanjona dia ny
handrodanana ny fitondrana amin’ny “fitakiana an-dalam-be”. Ny vola efa
nahazo betsaka, ny fitaovana izay ilaina misy. Ka izao no paik’ady:
- Vidina ny Radio sy TV RAVINALA ka soloina VIVA hahafahana
manamboatra tsikelikely ny sain’ny vahoaka hankahala ny fitondrana sady
hanaovana ny propagandy hahazoana ny fitondrana ny tanànan’Antananarivo (
Ben’ny tanàna). Tamin’izany no efa nisy nilaza fa volan-DRatsiraka sy
Pierrot Rajaonarivelo no nampiasainy fa tsy nino ny olona.
- Tsy ho resy vetivety ny fahantrana ka io no asaina ventesin’ny
mpanao politika izay miteny.
- Kitihina ny fanavaozana ny fianarana ary averimberina fa
fanagasiana tamin’ny 72 io. Hatao fitaovana amin’izany ny Katolika izay ao
ambadik’ilay firenena tsy tononina.
- Karamaina ny mpianatra eny sasantsasany eny amin’ny Cité Ankatso
mba hanamboatra “cocktail Molotov” hatsipy handoroana tranom-panjakana
- Karamaina ny jiolahy handroba fananan’olona mba ilazana fa tsy
misy fandriam-pahalemana eto.
- Karamaina ny olona maro mba hitarika fihetsiketsehana any amin’ny
faritra sy hitarika grevy.
- Vidina vola ny mpanao gazety maro mba hivoy ny hevitra
fankahalana fanjakana sy hivoy fa sakantsakan’ny fanjakana i Andry TGV
amin’ny fanatanterahany ny asa maha ben’ny tànana azy hany ka tsy vitany asa
Tokony hivoy koa ireo mpanao gazety ireo fa tsy milamina ny tànana.
- Atao ny tetika rehetra mba tsy hisian’ny “
Fivoriambe-faratampon’ny Firenena Afrikana”eto Madagasikara satria hoe
misavorovoro eto..
- Tsy hisy hoazy araka izany ny fivoriamben’ny tany miteny
Frantsay amin’ny 2010
- Tsy avela ho tody hatrany amin’ny fifidianana ity fitondrana ity
fa tsy maintsy arodana alohan’izay. Satria mantsy amin’izay fotoana izay efa
misy vokany betsaka eo amin’ny fiainam-bahoaka ny MAP ka ho sarotra ny
handresy azy amin’ny fifidianana.
- Tsy maintsy mirodana ary tsy maintsy tafiditra ao anaty
velam-pandrika ny fitondram-panjakana ka ny ambon-DRavalo no hamelezana azy.
- Asaina miteniteny foana ao amin’ny VIVA RATSIRAKA ary dia tsy
maintsy hanidy an’ioTV io ny fitondram-panjakana.
- Aely ny tsaho fa ho samborina I Andry TGV. Io fisamborana azy io
no tena tadiaviny mafy hatreto.
- Hetsehina amin’izay ny vahoaka mba hitaky fa tsy misy ny “
DEMOKRASIA” eto Madagasikara..
- Ampiasaina ny radio VIVA, Ny radio ANTSIVA, ny TV Plus, ny La
Gazette de la Grande ile , ny LA verité sns mba hitarika ny olona hanaraka
an’I TGV sy hanaratsy fanjakana.
- Ny resaka atao dia hanamboarana ny sain’ny olona mba hankamamy indray
eo amin’ny sehatra politika ireo goaika antitra very seza efa fantatra.
Fa ity no tena loza : Ny « LOJIKAN’NY FIFANDONANA » tetikadin’i Andry
Rajoelina miaraka amin’ireo mpanao politika tranainy sy ny firenen-dehibe
iray.
- Rehefa tsy mampiasa “FORCE” ny fanjakana dia terena hanao izany
mba hisy faty olona indray eto Antananarivo.
- Noho izany dia taritina ny olona hirohotra hanao ankeriny hamoa
ny TV VIVA. Efa misy mpitarika nahazo vola hanao an’io. Tsy maintsy
hampitandrina ka hanao tifi-danitra sy hampiasa fitaovana
mampilatsa-dranomaso ny mpitandro ny filaminana. Ary eo no hisy karamaina
hitifitra ny vahoaka ary dia hovelona ny saritaka. Iodia tsy mazava na ao
amin’ny tafika no voakarama na ao anaty vahoaka hanao an’io fitifirana io.
- Raha tsy mety ny eny amin’ny VIVA dia taritina ho eny amin’ny
Ministeran’ny Vola indray ny vahoaka, sady efa eo akaiky eo rahateo
Ambahitsorohitra, mba hitaky ny fialan’ny Minisitry ny Vola hono araka ny
resaka efa nataon’i ferdinard Ratsiraka sady naverin’I Andry TGV teo
Ambohijatovo. Tsy maintsy hampitandrina ka hanao tifi-danitra sy hampiasa
fitaovana mampilatsa-dranomaso ny mpitandro ny filaminana. Ary eo no hisy
karamaina hitifitra ny vahoaka ary dia ho velona ny saritaka syny savorovoro
.
- Hampiaka-peo toy ny fanaony avy eo ireo mpanao politika toa
an-dry Daniel RAMAROMISA sy ny forongony mba hitaky ny tetezamita
hiverenan’ireo mpanao politika saribakolin’ilay firenen-dehibe eo amin’ny
fitondrana.
Vokany :
- Mbola hanjakazaka eto amin’ny firenena io firenen-dehibe io satria
hiverina ireo saribakoliny.
- Mbola vao mainka hahantra ny vahoaka satria hitsitongana ny vola gasy noho
ny fikorontanana hatao eto amin’ny firenena. Mbola tombotsoan’ilay
firenen-dehibe ihany io.
- Tsy hisy ny fandrosoana eto satria hiady saritaka indray ireo mpanao
politika izay hiady seza samy hilaza fa izy no namono ny voay. Tsy ny
rehetra anefa no hahazo seza, fa izay efa votendrin’ilay Firenen-dehibe
ihany.
Ny fitiavako tanindrazana no nanosika ahy hilaza izao tsiambaratelo izao
aminao mba hilazanao ny havanao mba tsy sanatria no ho lasa sorona ho
fatifaty foana na haratra foana hampiakatra an-dry zalahy eo amin’ny sezany
Raha anisan’ireo nahazo vola moa maninona, fa raha entim-po amin’ny resabe
no tena mampalahelo. Tsy misy mahay manao fahagagana eto ka afaka hanafoana
ny fahantrana ao anatin’ny taona vitsivitsy.
Azonao porofoana amin’ny zava-misy ireo voalazako ireo. Ny
fanompoam-pivavahana saika natao teo Ambohijatovo. Ny fanokanana ny
kianjan’Andohalo izay natao kimaimaika, hany ka vao avy ny orana dia
nirodana. Ary ny nampalahelo aza nandratra olona mihitsy io firodanana io
satria nianjeran’ny tafo tao ireo olona sendra nialoka. Tsy efa fambara
ataon’Andriamanitra ve io. Iza no namatsy vola nanamboarana io kianja io ?
moa tsy ilay firenen-dehibe ve ? Nahatadidy rahateo ny isika fa tsy io
mihitsy ny planina nasehon’I Andry Rajoelina fony izy nanao propagandy
tamin’ny fifidianana ho ben’ny tanàn’Antananarivo. Mihevitra izy mantsy fa
tsy nisy nahatadidy ireny. Ny sarintsarim-pitokanana ny kianjan’ny
Demokrasia teny Ambohjatovo. Ireny rehetra ireny dia mizotra any amin’ilay
“lojikan’ny fifandonana hanaovana sorona indray ny vahoaka”.
Raha tia tanindrazana ianao dia aelezo ity amin’ny mailaka na amin’ny fomba
hafa.
Tena ekena fa mampandroso ny DEMOKRASIA ary ny fototra lehibe amin’ireny
dia ny fifidianana. Tsy misy afaka hilaza fa DEMOKRASIA ny fitarihana ny
olona haka fahefana eny andalam-be!
Tsy misy afa tsy ny fifandimbiasam-pahefana amin’ny alalan’ny fifidianana
ihany no filaminana sy fampandrosoana ny firenena.
Izay ny zava misy ka tokony handinin-tena ny mpitondra sy Andry TGV !
Samia mandinika vao manao zavatra ho tombotsoa ambonin’ny firenena ! Mbola
fotoana izao hieritreretana.
Ny Kristianina aoka hivavaka fa tandindomin-doza ny firenana.Tsy maintsy ho
sambatra isika raha manana an’Andriamanitra ho tokin-tsika.
Enregistrer un commentaire