Comité de soutien

Associons nos forces et nos idées pour Andry TGV.
Parce que votre soutien compte, nous vous invitons à envoyer vos mails à TGV Europe, à l'adresse :

tgve@tgve.eu

jeudi 13 décembre 2007

Vaovao misongadina 13/12/07

Vu sur Gazetiko le 13/12/07

Fifidianana ben’ny tanàna
Mitarika i Andry TGV eto Antananarivo

ImageBiraom-pifidianana 319 amin’ny 412 no nahazoam-bokatra, tany amin’ny sasakalina tany ho any. Mitarika amin’ny biraom-pifidianana rehetra ny kandidàn’ny Tanora Malagasy Vonona. Nanarakaraka azy avy hatrany ny kandidàn’ny Tiako I Madagasikara. Na dia mbola tsy feno tanteraka aza ny vokatra dia nazava ny fandresen’ny kandidàn’ny Tanora Malagasy Vonona ka ahafahana milaza fa lasan’i Andry TGV Antananarivo.
Tsiahivina fa nitombo (615 348) ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana teto Antananarivo Renivohitra tamin’ity fifidianana ben’ny tanàna ity, miohatra amin’ny isan’ny mpifidy tamin’ny fifidianana depiote farany teo (601 243). Niakatra ihany koa ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy.
Demôkraty!
Nisafidy izay hitondra ny tanàna izany Antananarivo. Ny TIM sendra anay moa rehefa nanontaniana ny heviny manoloana io vokatry ny latsa-bato io dia nilaza fa demôkaty ny Tiako I Madagasikara. Rehefa i Andry TGV no lanim-bahoaka dia tsy misy ny olana. Ny Filoham-pirenena rahateo rehefa avy nandatsa-bato dia nilaza ihany koa fa manjaka eto amintsika ny demôkrasia, afaka nisafidy tamim-pilaminana ny vahoaka. Io izany no vokatry ny safidim-bahoaka. Heverina fa tsy misy afa-tsy ny fiaraha-miasa no lalana tokana hahafahana manatsara ny tanànan’Antananarivo. Mikasika ny vokatry ny latsa-bato ihany dia nanamarika ny TIM sendra anay fa na eo aza ny fandresen’i Andry TGV dia mbola an’ny antoko eo amin’ny fitondrana ny fitondrana foibe.
V.R.

Aucun commentaire: